...DIA SAHINY !... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
…DIA SAHINY !…




…Dia sahiny ny nampitifitra
ny vahoaka marobe
nirodorodo k’efa ambivitra
ny ho sitraka eto re !



…Dia sahiny ny nampamono
tsy nisy izay fitserana
sy ny nampisambotra, hono,
fa mba nitady toerana.



…Dia sahiny ny nampandriaka
ny rà fa mbola niaro
ny tombon-tsoa ka nampasiaka
fa toa nanafangaro…



…Dia sahiny ny nanome baiko
ny handavo Malagasy,
raha mpivavaka, hoy ny saiko,
ka aleoko miova lasy.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
846 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0126