DIENY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIENY


Tandrotandrovy ny hita sy ananana
dieny ronono izay mbola fahanana ;
tendritendreo ny valiha sy lokanga
dieny mbola afaka sy mampitranga ;
velivelezo ny vy sy langoroana
dieny maneno sy mampihaona ;
hirahirao ny fiainana an-tany
sao diso paika vao hanontany !





Tsinjotsinjovy ny mamy rehetra
dieny tsy misy mampipararetra ;
kolokoloy ’tony andry ifikirana
dieny tsy misy izay manahirana ;
ihazakazaho ny soa mamparenina
dieny tsy misy ny latsa sy nenina !
Aza atositosika ny ondrin’ny osa
sao higogogogo vao hoe be trosa !




Ventiventeso ny hiran’ny anjely
dieny manainga sy mbola miely ;
deraderao irony saotra sy haba
dieny maro ny manao arahaba ;
karokarohy ‘zay tiana, aza fady,
dieny miravo sy manana angady ;
topazo maso, hoy re ny mibitsika
ny tantelinao sao lanin'ny vitsika !





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
1077 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114