DIMAMPOLO TAONA (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIMAMPOLO TAONA





Dimampolo taona
ny fahaleovantena
nefa dia eto foana
sy mampahonena
‘lay Madagasikara
mitady fahafahana
miha-mizarazara,
na tsy mibahana.



Dimampolo taona
no tsy voazanaka
nefa mbola naona
‘reto izay taranaka
nanantena hatrany
ny fiainam-baovao
teto amin’ito tany
nolaroina raorao !



Dimampolo taona
no nanova lalana
nefa toa nivaona
sy nihalangalana
‘reo nahazo seza
ela hatramin’izay
raha mbola mideza
ny hery mampiray.



Dimampolo taona
tao anaty fahantrana
tsy afa-nampitaona
‘rony fahagagana ;
tsy afa-nanonofy
ny azo tanterahina
ka saika hoe farofy
raha resadresahina.



Dimampolo taona
tao anaty fijaliana
mbola nahamoana
‘reo tojo fihafiana ;
mbola nahafanina
ny mitrongy lava
ka tsy nahamanina
fa be koa no rava.



Dimampolo taona
tao anaty kolikoly
mbola nampisaona
fa tsy afa-niala voly,
tsy afa-nampitsiky
fa mainka tebiteby
no indro toa nikiky
sy be nandrebireby.



Dimampolo taona
tsy nisy fivoarana
nampiraondraona
tsy hita ho nifarana
ny halatra sy vono
nahakivy lavareny
tsy mba honohono
fa nisy lava teny !



Dimampolo taona,
tsy nahasoa vahoaka
fa toy ny babangoana
raha avy avoaboaka
ny alahelo sy tomany
O ! ry tanindrazana,
nahalasa ’ty vinany,
na dia hoe tsy tazana !



Very ve, re olona,
‘reny rà nalatsaka
sa masina ny tolona
mba natao hikatsaka
ny soan’ny Malagasy
kendrena marimarina
tsy hampangasihasy
fa tena hahatafarina ?



Dia maty ve, indrisy,
‘rony afo tany aloha
sa any mbola misy
mitsilopilopy koa
fa mampisento irery
ny fiainam-pirenena
tsaroana ho feno fery
sy tsy azonay ekena ?




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
565 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 15/05/2020 05:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147