You are here: home > Vetso

DISO FAHAVALO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





DISO FAHAVALO





Diso fahavalo
ny fanjakana
fa tsy dahalo
'zay norarana.




Diso fahavalo
fa nandrahona
ka nampimalo,
na efa vahona.




Diso fahavalo
fa nosakanana
'zay mpandalo
nila fiadanana.




Diso fahavalo
fa 'rony tatitra,
nampihalohalo
ka tsy niaritra.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha