DISO FIANTEFA (2) (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DISO FIANTEFA Diso fiantefa
ny saiko mahatsiaro
ka ory rehefa
voadona andro maro.
Diso fiantefa
itony foko teny ho eny
raha mandefa
ny alaheĺoko ombieny.
Diso fiantefa
ny toky izay napetraka
ka nirefarefa
ny tontolo vao ketraka.
Diso fiantefa
ny fitia nitady hafaliana
fa izaho anefa
mieritreritra azy mangina.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana