You are here: home > Vetso

EFA HITA 'ZAO !... - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



EFA HITA ‘ZAO !...





Efa hita ‘zao fa fahantrana
no mahazo laka tsisy farany
dia dradraina tsy hay rarana
ny hifidy lava izato anarany !




Efa hita ‘zao fa hanoanana
no misoko hatrany hatrany
dia mieboebo fa fiadanana
no manjaka amin’ny tany.




Efa hita ‘zao fa tsy fisiana
no mahaketraka isan’ora
dia lasa ihany, na mangina
ny hiaro azy moramora !...




Efa hita ‘zao fa ady mafy
no manadala sy toa miely
dia indro ihany fa mihafy
sy tsy te hiova velively !






Fredy JAOFERA





Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 09/05/2009
Mpamangy : 857
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

HOY
TSY ATAOKO SAKANA
INDRAY ANDRO IZAY
REHEFA MATIN-KAMBO
NY HAZOKO
HALAVIRANA
VERY LANJA
TADIAVINA
REVO
TSY NAHASEHAKA