EMBONA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EMBONA




Ny orana ity mitaika,
izaho anefa saika
mba hiasa vetivety
saingy toa tsy nety,
fa embona no tonga
sy indro nampironga
ny alahelo mafy anao
nanadala tao ho ao !...


...Dia kotroka no re
narahina oram-be
nampijafajafa
sy nahahafahafa,
kanefa moa mba ho aiza ?...
Fa hoy aho, mahaiza
mionona, ry anjara,
hiandry andro tsara !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1361 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114