ENTINAO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENTINAONy haravoana entinao
dia hazavana mitaona
ny tontolo tsy mandao
itony ora lavi-tsaona.
Ny sangisangy entinao
dia hasambarana izany
mahafinaritra raha vao
iarahana eto an-tany.
Ny tambitamby entinao
dia mampitony marina
mampiranga ireo lalao
raha indro re itarina.
Ny tena fitiavana entinao
dia mampatoky ny saina
tsy hampipoitra raorao
manimba raha lazaina.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
