ETO AMBONIN'NY TANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ETO AMBONIN'NY TANY





Eto ambonin'ny tany,
misy lalàna tokony hohajaina
vao hisesy aok'izany
ny rindra sy ny lamin-tsaina.




Eto ambonin'ny tany,
misy fitsipika tokony hekena
vao tsy hisy tomany
ny atao rehetra mbola babena.




Eto ambonin'ny tany,
misy andraikitra efaina foana
vao tsy re hanontany
ity fiainana mila hahamoana.




Eto ambonin'ny tany,
misy adidy atao am-pitiavana
vao tsy hanambany
fa voninahitra be fahasoavana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
537 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0139