You are here: home > Vetso

FAHALEMENA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



FAHALEMENA




Fahalemena
ny mialona,
tsy handresena
ka mivalona.



Fahalemena
ny mifosa,
tsy hay omena,
na misosa.



Fahalemena
ny miseho
ka tsy ekena,
hoy ny feo.



Fahalemena
ny miavona
k' efa hosena
re hanjavona.




Fredy JAOFERA

Hevitra mandeha

TENIMAMIKO (26/06/2012 18:00:02)

Tsara be. Fohifohy fa tsara. Mampandini-tena.

Hametraka hevitra

Midira aloha