FAHATERAHAN'I KRISTY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHATERAHAN'I KRISTY




Fahaterahan'i Kristy,
fahateraham-pamonjena
mampitraka ny mania
nambara ho mahonena.



Fahaterahan'i Kristy,
fahateraham-piadanana
mbola fe o ilay fitia
ho an'izay tsy manana.



Fahaterahan'i Kristy
fahateraham-pahazavana
tsy manaloka ny dia
fa ahitana fahagagana.



Fahaterahan'i Kristy,
fahateraham-pitahiana
mahafinaritra satria
feno deram-pihobiana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
462 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0138