FANAHIN'NY NOELY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANAHIN'NY NOELY



Fanahin'ny Noely :
fanahim-piraisan-kina,
tsara hatao modely
raha toa fianakaviana.




Fanahin'ny Noely :
fanahim-pifandeferana
tsy ilaina velively
hipoiran'ireo fitserana.




Fanahin'ny Noely :
fanahim-pirahalahiana
satry foana hiely
sy hitobasam-pitahiana.




Fanahin'ny Noely :
fanahim-pikoranana,
na ho an'ny anjely
hanjakan'ny fiadanana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
2394 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113