You are here: home > Vetso

FANINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

FANINA




Ratsy aho tsy tiany,
tsara aho tsy zakany
no sady izay ampiany
'reny sakantsakany !



Ory aho tsy hitany,
ravo aho tsy sainy,
ka jereo ny vintany,
tsy amin'izay ilainy !



Kivy aho tsy reny,
nihira aho voafosa,
ka aleo tsy miteny
fa mbola nahosa.



Resy aho tsy tanty,
tafita aho voalatsa
satria toa poak'aty
ny sainy fa dia patsa.


Fredy JAOFERA