You are here: home > Vetso

FANJANAHAN-TANY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

FANJANAHAN-TANY





Fahavoazan-dehibe,
tsy mampihomehy,
nampitera-doza
vao nivozavoza.



Sedra maromaro
mafy ka fantaro
nanjakan’ny hafa
raha nijafajafa !



Nampiozonozona
fa be tery vozona
sy izay tsy rariny
tiany sy tsy ariny !



Fangalaran-tany
an-kery hatrany,
be mpanararaotra
ka nampitraotra.



Fangejana lava
tsy mba nety rava,
tomefy fijaliana
sy ny fikomiana.






Fredy JAOFERA

Sokajy : Tanindrazana, tantara