FANTATRO (2) (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANTATRO





Fantatro fa diso ny lalana asainy
izoran'ny safidim-poko
ka aza gaga raha tsy hita lalainy
fa olona efa tsy inoako.




Fantatro fa diso ny toky tadiaviny
tsy maintsy anajako azy
ka tsapako fa ho ratsy ny hoaviny
raha tsy mivazivazy.




Fantatro fa diso ny tsiky natolony
hanakonany ny marina
ka halako re fa na dia ny molony
nanozona ahy hivarina.




Fantatro fa diso ny saina kendreny
ambarany ho mahasoa
ka aleoko mandeha tsy ho be teny
sao poizina hahavoa.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
693 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 05/05/2020 09:12
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0166