FEON'NY FIERITERETANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FEON'NY FIERITRERETANA





Ny feon'ny fieritreretana
no mibaiko ny zavatra atao
ilaina hatrany handrehetana
ny jiron'ny tsara tsy handao.




Ny feon'ny fieritreretana
no namana tokana ombieny
mibitsika mba handrafetana
ny mety sy ny soa lavareny.




Ny feon'ny fieritreretana
no anatra irery eto an-tany
manoro hanam-paharetana
fa tsy dia handatsa-tomany.




Ny feon'ny fieritreretana
no andrin'ny famakafakana
isan'andro sady manentana
hahalala izay tsara hialana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1087 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0315