FETIM-PIRENENA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETIM-PIRENENA




Fetim-pirenena,
fetim-pambolena
‘reny afom-pitiavana
hipololotra ho goavana.



Fetim-pirenena,
fetim-pahendrena
irina mba hahasambatra
ny Malagasy tafatambatra.


Fetim-pirenena,
fetim-pamonjena
misy vonim-pilaminana
miendrikendri-panambinana.



Fetim-pirenena,
fetim-pandresena
hampihavana aok’izany
ny vahoaka tsy hita lany.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1955 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119