FETIN'I KRISTY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETIN'I KRISTY Fetin'i Kristy
no ankatoavina
fa manam-pitia
tsy azo lavina !
Fetin'i Kristy
no ankalazaina
ka eny mihobia
fa aza malaina.
Fetin'i Kristy
no isahiranana,
na aiza, mifalia
f'efa fiadanana.
Fetin'i Kristy
no ivavahana
ka dia mitokia
fa io mibahana.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
