FIARAMANIDINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIARAMANIDINA



Manomboka miakatra
hamonjy habakabaka
ny fiaramanidina
ka efa mamahatra
sy mivavabavaka
tsy hitsingidina.

Mipetraka tsara
hanao izato dia
ny fo sy ny saina
ka indro ambara
toa miampy fitia
ny zavatra hajaina.

Mandeha moramora
ny roson-tsakafo
tsotra dia tsotra,
mampitelin-drora,
na tsy mitafotafo
no mitohy ny zotra.

Mikimpy ho azy
ny masoko roa
fa tsy afa-bela ;
tsy hoe vazivazy
fa drodroka koa
rehefa ela ny ela.

Izay hahatongavana
no sary andrandraina
tsisy hoatra izany
ho hitan'ny havana
sy ireo nantenaina
fa izaho ihany !...


Fredy JAOFERA
--------
Lien:
666 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 10/12/2016 11:13
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162