You are here: home > Vetso

FIENTANAM-PO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


FIENTANAM-PO





Fientanam-po manimba
ny mivoy ny hatezerana,
na nahazo foana zimba
ka aoka ange ho ferana.




Fientanam-po mandavo
ny mampiasa fialonana,
tsy ahafahanao miravo
rehefa tsy tia fifonana.




Fientanam-po mandoro
ny mamoaka fanesoana
tena mahay manorotoro
rehefa tojo fandotoana.




Fientanam-po maharesy
ny milaza fahambaniana
raha mbola atao misesy
sy hita ho fanahy iniana.




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha