You are here: home > Vetso

FITIA MIFAMALY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


FITIA MIFAMALY





Fitia mifamaly
mahatsara fihavanana,
tsy vao omaly
no mendrika ho tanana.


Ka hajaojao,
na ahoana na ahoana,
fa efa natao
hahasambatra foana.


Tandrovy lava
ho harenan'ny miaina
hampahazava
raha toa savolaina.


Ataovy tigetra
fa aza andosirana
mbola hitoetra
ny soa mahamirana.


Ataovy filana
hahaiza-mamindra
mba higagana
no hafatra indrindra.




Fredy JAOFERA

Sokajy : Fiaraha-monina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 06/09/2008
Mpamangy : 1058
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TAVANY
MOZIKA
NANEFY NY TOETRAKO
FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO