FITIAVAN'ANDRIAMANITRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVAN’ANDRIAMANITRA





Toy ny ranomasimbe
ny fitiavan’Andriamanitra,
tsy voarefiko eto re
na mety koa voafangitra.



Toy ny habakabaka iny
ka mbola tsy hita fiafarana,
misy foana ankehitriny
sy mamirapiratra hatsarana.



Toy ny tany manontolo
ka mavesa-danja aok’izany,
tsy mahalala bobongolo
fa mbola masina eto hatrany.



Maimaimpoana ery,
na rahoviana na rahoviana,
mahatsara ‘rony dia
sy mambomba fitahiana.



Tsy mitovy mihitsy,
na amin’iza na amin’iza,
fa mamy sy mahitsy
ka isaory…Mandihiza !





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fiderana - Fitiavana
2232 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122