You are here: home > Vetso

NY VAVAKY NY MINO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



NY VAVAKY NY MINO





Ny vavaky ny mino
dia tsy ho very maina ;
miasa eto ka halalino
fa mba azo antenaina.




Ny vavaky ny mino
dia ren'Andriamanitra ;
manova ka hamasino
hisosa any an-danitra.




Ny vavaky ny mino
dia feno fanandratana
mankalaza ka banjino
ho saotra mivantana.




Ny vavaky ny mino
dia mitory famonjena
mahagaga ka vimbino
fa izay no fandresena.




Fredy JAOFERA