FOTSINY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOTSINY





Tsy fahoriana fotsiny
no gohana eto an-tany
raha efa ranofotsiny
ny derako eto izany.



Tsy tebiteby fotsiny
no lahatra sy anjara
raha efa rotsirotsiny
‘reny soa nambara !



Tsy ady mafy fotsiny
no sedra lalandava
raha efa ny votsiny
iny vaky sy nisava.



Tsy alahelo fotsiny
no entin’ito taona
raha ny volafotsiny
iny hita lavi-tsaona.








Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
1162 0
Commentaires
Ryana ( 03/06/2009 08:37)
Misy fifaliana maro be marina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.011