You are here: home > Vetso

HARENA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


HARENA




Ny harena tsy voasolo,
Mampitsiky ny tontolo,
Mampihetsika ahy tokoa :
Ny Tompo izay Tsitoha.



Ny harena tsy mirenty,
Sady lafo no vaventy,
Azo antoka tsy hamery :
Ny fahaizana irery !



Ny harena tiako hateza,
Tsy hisy làlana mideza,
Tsy hisy aloka lazaina :
Ny mitaky lamin-tsaina.



Ny harena tsy voateny,
Ivavahako eto ombieny,
Angatahako ho anjara :
Ny hahazo vady tsara !




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha