You are here: home > Vetso

HASASARAN'OLONA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


HASASARAN'OLONA





Hasasaran'olona
no indro nangalariny
ka miady sy mitolona
vao mahita 'tony variny.




Hasasaran'olona
no nahazoany harena
ka izay efa namololona,
any taona mbola hihena.




Hasasaran'olona
no zary fahasambarany
ka tsy nahitam-bololona
'tony hazo namaharany.





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha