HATRAMIN'IZAY NIARAHANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATRAMIN'IZAY NIARAHANA





Hatramin'izay niarahana
dia ny niainana sahady
sy tsapako ho nibahana
dia niova izay nianjady.




Hatramin'izay niarahana,
ny foko aman-panahy,
tsy haiko ho navahana
fa miravo sy mba sahy.




Hatramin'izay niarahana,
mba nihamitombo izany
sy mainka nahazo vahana
ny mamintsika hatrany.




Hatramin'izay niarahana,
na ny tantarako rehetra
tsaroana ho nahapahana,
toa foana tsy nitoetra.




Hatramin'izay niarahana,
ny mivelona ato anaty
sy nataoko fangatahana
dia ianao ka mba soraty.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1351 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125