HATSIAKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATSIAKA




Mamely ity ny hatsiaka
ka mangovitra tokoa ;
fotsifotsy toa botsiaka
‘zay tazanina eto koa.




Mamely ity ny hatsiaka
ka mikaroka hafanana ;
‘zato endrika sy bika,
takontakona, mazàna !




Mamely ity ny hatsiaka
miampy ny oram-panala
misesisesy raha adika
no toa mila hanadala !



Mamely ity ny hatsiaka
ka matevim-pitafiana ;
mampijaly toa masiaka
ny hirifiry ka fahoriana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
936 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 23/01/2009 12:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148