You are here: home > Vetso

HENDRY NY RAY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



HENDRY NY RAY





Hendry ny ray
mahalala ny zanany
sy mba mahay
mitondra fiadanany.




Hendry ny ray
mifoha vao maraina
ka lasa indray
ho an'ny sombinaina.




Hendry ny ray
mba tia tokantrano
mampivaivay
ny adidy ka tohano.




Hendry ny ray
miaro ankohonana,
na inona izay
ary dia iombonana.




Fredy JAOFERA