Hira (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy maraina indraindray manamaloka avy hatrany
‘Reo ora sy fotoana,na mifandimby tsy hita lany ;
fa rehefa mihira ianao ary mifaly lavareny
dia mora misinda ho azy ireny rehetra ireny.
Misy masoandro indraindray tsy manafana akory,
Toa mazava fotsiny eo no mitady ny hampahory;
Fa rehefa mihira ianao ka mbola manantena,
Mbola hiova tsisy farany ny hita sy jerena.
Misy alina indraindray toa mamoaka tebin-tsaina:
Tsy ahitana torimaso no tsy ahitana izay lazaina;
Fa rehefa mihira ianao ka mino ilay Tsitoha,
Mbola ho zava-mahagaga no hitobaka tokoa.
--------
Lien:
1459 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121