HO ANAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAO



Ho anao irery ihany, Veromanitra malala,
no efa nokasaiko ho an'ny foko kely adala ;
ho anao irery ihany, na ahoana na ahoana :
na misento na mitsiky, na sanatria misaona !



Ho anao irery ihany, Veromanitra tsy foiko,
no hetaheta ombieny sy satry hantsotsoino ;
ho anao irery, na rahoviana na rahoviana,
ka tsarovy lalandava hahitako fifaliana.



Ho anao irery ihany, Veromanitra malala,
no tadiavin'ito foko miraikitra tsy miala ;
ho anao irery ihany ka tsarovy na fantaro
fa taminao tokoa ny hira vao mba maro.



Ho anao irery ihany, Veromanitra tsy foiko,
ireo nofinofy mamy sy ny raozy nokoloiko ;
ho anao irery ihany fa voady hatramin'izay
ny hijanona aminao sy hitambatra ho IRAY.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1188 1
Fans: mimmosa
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0165