You are here: home > Vetso

HO AN'I NENY MALALA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




HO AN'I NENY MALALA





Ho an'i Neny malala
no voaloham-pitiavako,
ilay tsy manan-tsahala
sy anjara fahasoavako.




Ho an'i Neny malala
no anandratako ny Avo
tsy mba hisy hamanala
ny taona fa hampiravo.




Ho an'i Neny malala
no isaorako ny lahatra
fa dia harena mahalala
matoa aho mamahatra.




Ho an'i Neny malala
no ezakezahina hatrany
tsy hanan-janaka adala
fa ho tabiha eto an-tany.




Fredy JAOFERA





Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 09/06/2021
Mpamangy : 115
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NIZAKA
TONGA ALOHA
VERY ANDRO
IRAY ANDRO ANY
MANAN-KASINA NY MATY
TSY TIAKO
TRATRA AORIANA
NANDALO
NY MOZIKA
VAO MATY NY RAIKO