HO AN'NY FAHASALAMANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN'NY FAHASALAMANA




Tsara ny hasambarana
ho an'ny fahasalamana
fa tonga dia varavarana
mamoha hery igagana.



Tsara ny lalam-pifaliana
ho an'ny fahasalamana
fa tonga dia hamamiana
tsaroana mahatamana.



Tsara ny tsara torimaso
ho an'ny fahasalamana
fa tonga dia ireto maso
mikimpy mora tsy tana.



Tsara ny mitia fitoniana
ho an'ny fahasalamana
fa tonga dia tsy zovina
ny vazo tsy hay fafana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
78 0
Hevitra mandeha
ArantaTsyFoiko ( 30/07/2024 12:37)
ten
ArantaTsyFoiko ( 30/07/2024 12:38)
tena tsara ny salama,mankasitraka be
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 28/07/2024 19:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139