HO AN'NY TENANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN'NY TENANY





Ny tsirairay ho an'ny tenany
fa ny Avo ho antsika jiaby,
izay etoana no anorenany
ito tany mbola be mibaby.




Ny tsirairay ho an'ny tenany
fa ny hafaļiana itambarana
no ilay fiainana anarenany
an'ireo ratsy fandaharana.




Ny tsirairay ho an'ny tenany
fa ny tsara iaraha-manana,
isan'andro ange ambenany
ho eny foana ny fiadanana.




Ny tsirairay ho an'ny tenany
fa ny rehareha iombonana
ka any an-danitra fonenany
no tena misy ny fiononana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
889 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0126