HO AVY NY FOTOANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AVY NY FOTOANA




Ho avy ny fotoana
tsy hisy fanaintainana,
mbola hahamoana
an'reo ratsy ny fisainana.



Ho avy ny fotoana
tsy hiainam-pahantrana,
tsy hisy ny noana
fa filaminana higagana.



Ho avy ny fotoana
tsy hipoiram-pahoriana,
ho hita hanoloana
ireo ambara ho fitahiana.



Ho avy ny fotoana
tsy hizoram-paharesena,
hampitraka foana
ho rehareham-pirenena.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
349 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118