You are here: home > Vetso

HOTAKOTAKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



HOTAKOTAKA





Hotakotaka,
rotadrotaka,
mampitsoatsoaka,
mampipoapoaka
ny basy rehetra
tsy misy fepetra !



Hetraketraka,
ketraketraka,
mandrebireby,
mampitebiteby,
mampivahobahotra,
no sady misy tahotra.



Korotandrotana,
ongotrongotana,
potipotehina,
kosikosehina
ny marina maro
fa loza tsy hiaro.





Fredy JAOFERA








Sokajy : Politika

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 18/04/2009
Mpamangy : 647
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TAVANY
MOZIKA
NANEFY NY TOETRAKO
FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO