HOTSARAIN'NY TANTARA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOTSARAIN'NY TANTARA





Hotsarain'ny tantara
izay vitanao rehetra
rehefa any am-para
ka tena hipararetra.




Hotsarain'ny tantara
ny asa izay tontosa,
na inona voambara
vao ketraka sy osa.




Hotsarain'ny tantara
ny taona nitondrana
rehefa tsy tia nizara
ny soan'ny fanovana.




Hotsarain'ny tantara
ny teny izay navoaka
rehefa inty ny anjara
tsaroana mandoaka.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
8 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3003