IANAO IHANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO IHANY





Ianao ihany
no ilaiko ho doria
hitondra eto izany
ny tena fitia.




Ianao ihany
no iriko mangina
hivoy any ho any
ny nijaliana.




Ianao ihany
no mamiko foana
hampiova ny tany
tsy ho saona.




Ianao ihany
no toky tadiavina
tsy hanan-tomany
ny diavina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1356 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123