You are here: home > Vetso

IANAREO MIVADY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



IANAREO MIVADY





Raha tsy mitovy saina
ianareo mivady,
na ny mamy sy lalaina,
mety hampiady.



Raha tsy mitovy vazo
ianareo mivady,
na ny efa voninkazo,
iny fa handady.



Raha tsy mitovy fery
ianareo mivady,
na mafy sy mahery,
toa saro-pady !



Raha tsy mitovy kiry
ianareo mivady,
na trotraka impiry,
resy be sahady.



Raha tsy mitovy loha
ianareo mivady,
na ny tsara sy ny soa,
lasa any an-kady.





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha