You are here: home > Vetso

IARIVO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

IARIVO




Tsy fidiko, Iarivo,
ny nandao anao
fa ny fahoriana
mahazaka maniraka ;
ka indro asivo
‘zay toky vaovao
‘zato lalana irina
tsy ho firapiraka.



Tsy fidiko, Iarivo,
ny hoe nankaty
fa mafy tokoa
ny fitadiavana  ;  
na efa in’arivo
no mba nandihy
sy nikatsaka koa
izay hampihavana.


Tsy fidiko, Iarivo,
ka injao alahelo
no mba mameno
ny fo manimanina ;
ny Lasa tsahivo
fa tsiambaratelo
tsaroana maneno
sy saro-tazanina !



Tsy fidiko, Iarivo
ka mbola tomany
no miradraraka
mila hanadala ;
ianao ange no ivo
sy mamiko hatrany
na tafasaraka,
ry tsisy sahala.



Fredy JAOFERA









Hevitra mandeha

fahamarinana (06/06/2010 14:13:12)

Kanto e! Misaotra mizara aminay !:-)

Hametraka hevitra

Midira aloha