You are here: home > Vetso

ILAINA NY HAFA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




ILAINA NY HAFA





Ilaina ny hafa
hahafantarana ny tena
matoa mitafa
etoana tsy hay fefena.




Ilaina ny hafa
ka aoka tsy hofosaina
tsy hampijafa
ny adidy izay efaina.




Ilaina ny hafa
ka aza hamaivanina
fa tia namafa
ny lasa ka nentanina.




Ilaina ny hafa
rehefa singan-drery
toy ny sahafa
tsy misy mba mijery.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha