You are here: home > Vetso

ILAY TAKARIVANTSIKA (2) - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







ILAY TAKARIVANTSIKA





Takariva mahamanina, takariva nangatsika
takariva tsisy kintana ilay takarivantsika ;
ny rivotra mitsoka, miparitaka ny feo
f''ianao irery sisa anio no mba tsy teo.




Nofinofiko eto indray ary tadidiko tsy nahy
ilay oroka imolotra toy ny oroka am-pnahy ;
tsapako eto indray 'lay ianao mba teo an-tratrako
ka nilazako mora hoe : ianao no mba malalako !




'Lay hafanana mamy mba niainana mangina,
'tony hasambarana teo akaikin'ny olon-tiana,
tsaroana lalandava sy namelona aok'izany
'lay foko tia anao, na dia ory be tomany.




Takariva fohy kanefa sarotra hadinoina,
takariva kanto ka toa sarotra hovonoina ;
tsy haiko ambara, tena tsy haiko adika
fa mbola hafa ihany 'lay takarivantsika.





Fredy JAOFERA



Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 22/09/2022
Mpamangy : 110
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NIAINA
HADALAN-DRENY
I LOVE YOU
MY DEAR
TSY IRERY
MAHITA TSARA
MIVOY NY SAINA
MATOA AHO MANGATSIAKA
VITAKO NY NANADINO
KITROTRO