IMPIRY ? (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IMPIRY ?




Impiry moa ny maso no nitopy taminao ?
Impiry moa ny fo no nilaza hoe : Andao ?
Fa tsy ampy hery ihany hifanatrehantsika
matoa tsy re nivolana ireo toky tsara bika.



Impiry moa ny saina no tonga tany foana ?
Impiry moa isika no indro lava tafahaona ?
Fa tsy ampy feo ihany hitondra fandresena
matoa tsy mba nitory ny tiana hoe : harena.



Impiry moa ny ora no nirina mba hifanojo ?
Impiry moa ny sento no nokasaina hijojo ?
fa tsy nanana intsony ny andry nifikirana
matoa mba tazanao nitady fandosirana !



Impiry moa ny kiry no saika mba hanatona ?
Impiry moa ny misy no tsy irina hikatona ?
fa tsy ampy hira ihany atolotra eto anao
matoa mba nisafidy ny hiala sy handao.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1197 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117