You are here: home > Vetso

IMPIRY IANAO ?... - Fredy Jaofera





IMPIRY IANAO ?...





Impiry ianao nifofotra
sy angamba nidofotra
vao tody izay nirina
na azo re ny tiana ?




Impiry ianao nikatsaka,
ny tomany aza latsaka
vao indro nisantarana
ny valin-kasasarana ?




Impiry ianao niroboka
hioty izay voaloboka
vao moramora azo
sy nahenoana vazo ?




Impiry ianao nitolona
mba ho toy ny olona
vao nisy fandresena
toa tsy hay fefena ?...




Aza kivy lalandava
fa ho avy ny Mazava,
hipoitra ilay maraina
hany nandrandraina.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha