INDRO NY MARAINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRO NY MARAINA




Indro ny maraina
mibitsika ahy hifoha
ka dia arahabaina
no ataoko eto aloha.



Indro ny maraina
mivimbina hery vao
azo andrandraina
hisy rindra sy lalao.



Indro ny maraina
mamory andraikitra
tsy mivoy ny laina
fa zoto be miraikitra.



Indro ny maraina
miteny ahy hivavaka
mba ny soa ilaina
no tena handravaka.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
196 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012