INONA ARY IZANY ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INONA ARY IZANY ?





Moramora raha tononina,
mevameva raha foronina
'lay anarana efa mandry
mba natao andefimandry.




Midokadoka raha lazaina,
mihenahena raha ilaina,
mangingina raha mimalo,
tsy hitahita ra' mandalo.




Ravarava na ny lasa,
maivamaivana ny asa,
mihirahira 'tony taona
any ho any, na ny saona.




Tabataba ny eny ho eny,
mamilafila raha miteny,
elaela vao mahay mibaiko
'zato fo sy izato saiko.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1217 1
Fans: daniel.r
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113