IOMBONAKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IOMBONAKO




Iombonako aminao rehefa misy ny hafaliana
izay iainana isan'andro sy misosa moramora ;
iombonako aminao rehefa indro fitahiana
no mandrakotra eny, na minitra na ho ora.



Iombonako aminao rehefa misy ireo tomany,
toa mipatrapatraka sy lazaina, hoe, tsy telina ;
iombonako aminao rehefa indro fa ny tany
mitondra fahoriana sy mila hanelingelina.



Iombonako aminao rehefa indro fa ny hafatra
mba feno fahasambarana sy mody tena miafina ;
iombonako aminao rehefa indro tonga lafatra
ny hita rehetra rehetra sy izay efa tarafina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1289 1
Fans: Arimalala
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123