IREO TSARA SITRAPO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IREO TSARA SITRAPO




Ireo tsara sitrapo
dia aza sakanana
rehefa manasoa
izay fitantanana.



Ireo tsara sitrapo
dia aza haratsina
rehefa tsapa moa
fa tsara faniriana.



Ireo tsara sitrapo
dia aza topazana
rehefa kivy tokoa
fa miasa mazana.



Ireo tsara sitrapo
dia aza rebirebena
fa tsinjovy avokoa
fa ho an'ny firenena.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
446 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118