ISA NY AMONTANA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isa ny amontana,tonga ny korontana ;
Roa aviavy
ka nifosa avy !
Telo fangady,
nipoaka ny ady ;
efa-drofia,
sento ny dia.
Dimy emboka,
iny fa renoka ;
eni-mangamanga,
hita ny vanga.
Fito paraky,
niova malaky ;
valo tanatanana
ka tsy nihavanana.
Sivy rongony,
be ny lonilony ;
folo famolesana,
tsy nankanesana !...
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Ady
