You are here: home > Vetso

ISIKA (2) - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




ISIKA





Isika dia natao
hifampitrotro am-bavaka,
n'aiza n'aiza sao
ny diavina any an-davaka.




Isika dia najoro
hifampitantana eran-tsaina
sy afaka hifanoro
rehefa very na mangaina.




Isika dia narindra
hifampitsimbina ho doria
sy ny hiray famindra
raha eny an-dàlan'ny fitia.




Isika dia natefy
hiombom-po aman-panahy
tsy ho voafefifefy
ary hisy Tompo izay mitahy.




Fredy JAOFERA